SOMBIM-PANAMPIANA

Fa toy ny voninkazo maniry an-tany hay
Mosarnen-dranon’ando
Mbola tsy foy dia malazo

Tahak'izany koa ny fo tsy manana mpitia
Fa velombelom-poana
Tsy misy hiainana tokoa

Refrain :
Mba ampandefero ity ambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka ilay fitiavan-tenanao
Ario izay kakay masiaka
Fitiavana asolo ireo

Raha toa ianao mijaly, tsy ahitam-pifaliana
Ny fiainam-pahoriana
Inty aho mba hamalifaly

Henoy izao hira izao ho fampaherezako anao
Aidiro am-po
Hatao sombim-panampiana ho anao